<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>175</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 Avia, Fanahy ô,
 Fanahy Masina ô !
 Midina eto aminay
 Hitari-dàlana !

[V2]
 Fa diso làlana
 Ka ory izahay ;
 Ny sainay dia maizina,
 Ny fonay ratsy koa

[V3]
 Midina Hianao,
 Ry Mpanazva anay,
 Hanaisotra ny maizina,
 Atý anatinay !

[V4]
 Avia, Mpananatra ô !
 Mombà anay tokoa ;
 Ampahatsiarovinao
 Ny teny mahasoa.

[V5]
 Ry Mpampianatra ô !
 Ampionao izahay,
 Ka aoka re ho marina
 Izay ianaranay !

[V6]
 Mitomoera atý
 Anatin'ny fonay ;
 Izany indrindra, ry Tompo,
 No angatahinay !</lyrics>
<title>Avia, Fanahy o, fanahy Masino o FFPM175</title>
<author>H.G. Nageli</author>
</song>